Manomboka pejy vaovao eo amin’ny tantarany izao i Madagasikara ary miditra ao anatin’ny vanim-potoana izay ivoizana ny teny filamatra hoe “fisandratana”, “fampandrosoana eny ifotony, iaraha-misalahy ary maharitra ». Ny olom-pirenena tsirairay dia asaina hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fanorenana ity firenena vaovao izay tiantsika hatsangana miaraka amin’ny ambom-po ity. Araka izany, ireo olom-pirenena dia tokony hahafantatra ireo vaovao mahakasika ny votoatiny sy ny tanjona kendren’ny fitantanam-bolam-panjakana, izay hita taratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana. Natao ho fitaovam-pampitàm-baovao ho an’ny vahoaka manontolo ny boky « Tetibola ho an’ny Daholobe » mba hamantarany ny fomba ampiasàna ny volany, ka mba hitarika azy ireo ho tonga saina ary indrindra mba handraisan’ny tsirairay avy ny andraikiny, eny amin’ny sehatra rehetra, mba hametrahana fiainam-pirenena madio.
Ny Hitsivolana mitondra ny làlana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2019 dia narafitra tamin’ny fiafaran’ny fotoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika teo aloha. Taorian’ny fandraisampahefan’ny filoham-pirenena vaovao izay voafidy, ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolampanjakana dia tokony hanome aratra ny fomba fijery vaovao ho fampandrosoana an’i Madagasikara ary koa ireo laharam-pahamehana vaovao apetraky ny fanjakàna hanatrarana ny « fisandratana ». Izany no antony nandrafetana ity Hitsivolana mitondra ny lalàna fanitsiana ny Tetibola 2019 ity mba hanomezana valiny tsara kokoa ho an’ireo hetahetan’ny vahoaka ary koa hametrahana ireo paikadim-pampandrosoana voafaritra ao anatin’ny « fisandratana ho an’i Madagasikara ».
Mba hahazoana antoka ny fampielezana ity boky ity ho amin’ny sehatra mivelatra kokoa dia irariana sy amporisihina indrindra ny fifandrombonan’ny rehetra ho amin’ny fanapariahana azy.