Mba ahafahana mametraka fitantanana tsara ny volam-panjakana, ny fampiroboroboana ny fangaraharan’ny tetibola, ny tamberin’andraikitra ary ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara amin’ny tetibola dia fanamby lehibe napetraky ny Fitondram-panjakana Malagasy, indrindra ny eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
Nanomboka taona maromaro izay, tsy nitsahatra nihanitombo ireo ezaka amin’ny fanatsarana eo anivon’ny endrika sy ny votoatin’ny tetibola ho an’ny olom-pirenena. Anisan’ireo ezaka notanterahina ny fanamorana ireo teny nampiasaina, ny fanampiana torohay mahakasika ny tetiandron’ny famolavolana sy ny fandaniana ny tetibolam-panjakana, ny rafitry ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ary ny fanehoana ny fandaniana amin’ny sokajy telo (03) karazany.
Ho fanampin’ireo fanatsaràna natao tamin’ny 2022, ity andiany faha-18 ny tetibola ho an’ny olom-pirenena ity dia mifanaraka amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2023 izay ahitana ireo sokajin’ny fandaniana vaovao araky ny “sokajin’andraikitra”.
Ankoatry ny fanapariahana ao amin’ny tranokalan’ny Ministera, ity tetibola ho an’ny olom-pirenena mifanaraka amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2023 ity dia ho zaraina manerana ny faritra 23 eto Madagasikara.
Ny olom-pirenena rehetra dia entanina mba hanaparitaka ity boky ity.
Mba hisian’ny fitantanana mahomby ny volam-panjakana dia fanamby lehibe napetraky ny Fitondram-panjakana Malagasy, indrindra ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny fampiroboroboana ny fangaraharan’ny tetibola, ny tamberin’andraikitra ary ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara amin’ny famolavolana ny tetibolam-panjakana.
Nandritry ny taona maro, tsy nitsahatra nitombo ireo ezaka amin’ny fanatsarana eo anivon’ny endrika sy ny votoatin’ny « Tetibola ho an’ny olom-pirenena ».
Anisan’ireo ezaka notanterahina ny fanamorana ireo teny nampiasaina, ny fanampiana torohay mahakasika ny tetiandron’ny fandaniana ny Tetibolam-panjakana sy ny rafitry ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam- panjakana ary ny fanehoana ny fandaniana amin’ny sokajy telo (03) karazany.
Ho fanampin’ireo fanatsarana natao tamin’ny taona 2022, ity andiany faha-18 amin’ny Tetibola ho an’ny olom-pirenena mifanaraka amin’ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana 2023 ity dia ahitana ireo sokajin’ny fandaniana vaovao manaraka ny « Fanondroana araky ny sokajin’andraikitra ».
Ankoatra ny fanapariahana ao amin’ny tranokalan’ny Minisitera, ity Tetibola ho an’ny olom-pirenena mifanaraka amin’ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana 2023 ity dia ho zaraina manerana ny faritra 23 eto Madagasikara.
Ny olom-pirenena rehetra dia entanina mba hanaparitaka ity boky ity.