Ny edisiona faharoa amin’ny “Tatitry ny vokatry ny taona ho an’ny Daholobe” mifandraika amin’ny lalàna fandravonana ny Tetibola 2016 dia vokatry ny fanavaozana natao eo amin’ny ftantanana ara-tetibola mifantoka amin’ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra. ireo foto-kevitra ireo no iasàna sy iandraketan’ny Foibem-pitondrana ankapobeny momba ny Tetibola mba ahafahana miantoka ny ftondrana tsara tantana mikasika ny ftantanam-bolam-panjakana.
Mitovy fehi-kevitra tamin’ny famoahana ny boky voalohany ihany koa, ny tanjona amin’ity tatitra ity dia ny hisintomana ireo olom-pirenena mba hamantatra ny momba ireo vola lany tamin’ny zava-bita sy ny fahombiazan’ireo vokatra azo; ary araka izany, mba hahatonga azy ireo ho liana sy hiditra lalindalina kokoa mahakasika ny resaka ara-tetibola. noho izany, ity tatitra ity dia ahafahan’ny mpamaky mahafantatra sy manara-maso, amin’ny fomba mangarahara kokoa, ny fampiasana ireo loharanom-bolam-panjakana nandritry ny taonan’ny tetibola anankiray.
Araka izany, hamporisihina ny ezaka rehetra ho fanapariahana amin’ny vahoaka ity boky ity, amin’ny alalan’ireo karazana làlam-pifdianana, ao anatin’izany, ireo mpanao gazety, ireo sehatry ny faraha-monim-pirenena, ireo sekoly ambaratonga ambony, ireo sehatra tsy miankina, ireo fkambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola, ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana,... Fanampin’izany, entanina ny tsirairay mba hizara sy hanaparitaka ity boky ity