Ny Tetibolam-panjakana izay fitaovana fototra ho amin’ny fampiharana ny politikan’ny governemanta, dia manazava ny fomba nampiasàna ny loharanom-bolam-panjakana ho amin’ny fandaniana. Ny antontan-taratasy antsoina hoe «Tetibola ho an’ny Daholobe » dia hevitra natomboky ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) izay mana-tanjona hanolotra an-tànana ny vahoaka ireo vaovao momba ny tetibola mifandraika amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-
bolam-panjakana.
Ity Tetibola ho an’ny Daholobe ity izay mifandraika amin’ny Hitsivolana momba ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2020, dia fandikàna ara-tetibola ireo fampanantenana nataon’ny Fanjakana ho amin’ity taom-panatanterahana ny Tetibola ity ary hampisongadina manokana ireo vinavina ara-toekarena sy ara-tetibola ary koa ireo sori-dàlana lehibe mahakasika ny fandaniana ho an’ny taona 2020. Araka izany, ity boky ity dia manome taratra ireo laharam-pahamehan’ny
governemanta izay voalaza ao anatin’ny Politika Ankapobeny ataon’ny Fanjakàna.
Ity finiavan’ny Fanjakàna hisokatra amin’ny olom-pirenena ity dia fanampin’ireo ezaka efa natao mahakasika ireo fanavaozana teo anivon’ny fampandehanan-draharaham-panjakàna ary manohy ny fihitaran’izany amin’ny alàlan’ny fanapariahana ny boky mba hipaka amin’ny mpamaky misimisy kokoa hatrany.Noho izany, entanina ny tsirairay mba hizara ity Tetibola ho an’ny Daholobe ity ho fanatrarana ny tanjona dia ny fangaraharana ara-tetibola izany. Ny famokarana ity boky ity dia vokatry ny fiaraha-miasa niaraka tamin'ny UNICEF izay hanolorana fisaorana etoana.