Ho fanohizana ny tanjona amin’ny fangaraharana sy tamberin’andraikitra, namoaka ny andiany fahadimy amin’ny Tetibola ho an’ny Daholobe, mifandraika amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2017 ny Ministeran’ny Vola sy ny Tetibola niaraka tamin'ny fanohanan'ny UNICEF. Ity antontan-taratasy ity dia mampiseho amin’ny fomba tena tsotra ireo tahirin-kevitry ny tetibola ao amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ary mampiditra ireo fanamarihana sy tolo-kevitr’ireo izay efa namaky ny boky tamin’ny fanontàna teo aloha.
Noho izany, asaina ny olom-pirenena rehetra mba hizara ny boky amin’ny manodidina azy avy, ka mba ho tafita ny tanjona amin’ireo ezaka fangaraharana, dia ny hamporisihina ny rehetra amin’ny fandraisana anjara amin'ny fizotry ny tetibola.