Ny tetibola dia fitaovana entin’ny fanjakana hitantanana ny vola miditra sy fandaniana rehetra ataony. Ho amin’izany indrindra no antony handrafetana isan-taona ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana izay ahitàna ireo antsipirihany mahakasika ny tetibolam-panjakana mandritra ny taom-panatanterahana iray. Vokatry ny zava-misy mahakasika ny olana ara-pahasalamana sy ara-toekarena ankehitriny, dia tsy maintsy nasiam-panovàna ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ka novolavolaina araka izany ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bola nasiam-panitsiana ho amin’ity taona ity.
Ankoatr’izany, ny Fanjakana Malagasy dia manohy hatrany ireo ezaka efa natomboka eo amin’ny lafiny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra. Noho izany, manatanteraka ireo fanekeny manoloana ireo olom-pirenena ny Fanjakana mba hisitrahan’izy ireo ireo vaovao mahakasika ny tetibola. Izany indrindra no anton’ity “Tetibola ho an’ny daholobe” andiany fahatelo ambin’ny folo ity, izay boky natokana manokana ho an’ny olom-pirenena ary mirakitra izay tokony tsara ho fantatra, amin’ny fomba tsotra sy fohy, mahakasika ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2020.
Ny Foibe-pitondrana ankapobeny momba ny fitantanam-bola sy ny raharaham-panjakana ankapobeny (DGFAG), amin’ny alàlan’ny Foibe-pitondrana momba ny Tetibola (DB) dia mamokatra ity boky ho an’ny olom-pirenena ity araka ny fenitra iraisam-pirenena takiana hamolavolana azy. Ao anatin’izany dia entanina isika tsirairay avy mba hanaparitaka bebe kokoa ity boky ity mba ahafantaran’ny olom-pirenena hoe mankaiza ny volany.