Ny fangaraharan’ny tetibolam-panjakana dia anisan’ireo fanamby lehibe ahafahana mametraka ny Fanjakana tsara tantana indrindra amin’ny lafin’ny fitantanana ny volam-panjakana. Noho izany, manohy ny ezaka rehetra hanamorana hatrany ny fahafahan’ny olom-pirenena rehetra mahafantatra ny vaovao mahakasika ny fomba fampiasana ny vola eto amin’ny firenena ny Fanjakana. Ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Tafiditra ao anatin’ny izany fangaraharana izany ny fanaovana tatitra ho an’ny olona rehetra tahak’izao. Ity tatitra ity dia mifandraika amin’ny Lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021.
Ny krizy ara-pahasalamana iraisam-pirenena izay mahakasika an’i Madagasikara ihany koa dia nahitana fiatraikany teo amin’ny lafin’ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana. Natao laharam-pahamehana ny famehezana ny voka-dratsin’ny covid-19 eo amin’ny toekarena, ny fanamafisana ny andrikitry ny vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana ary ny ady amin’ny tsy fitoviana sy ny fahantrana. Ankoatran’ny fijerena ireo fahasahiranana izay nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina, ity tetibola ho an’ny Daholobe ity dia ahitana ireo zavatra tokony ho fantatra rehetra hita ao anatin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2021: ny momba ny hetra, ireo fandaniam-bolam-panjakana sy ny trosa.
Raha fehezina, ity tetibola ho an’ny daholobe ity dia vokatry ny ezaka nataon’ny Fanjakana, ary ny olom-pirenena rehetra no hisitraka azy. Noho izany, manasa ny tsirairay handray anjara feno amin’ny fanapariahana ity boky ity.
