Ny Tetibolam-panjakana dia fitaovana iorenan’ny politikan’ny toekarena mba ahafahana mamatsy vola ireo tetikady ho an’ny fampandrosoana voasoratra ao anatin’ny Paikady Natao Dinasa (PND). Ny fahamarinan-toeran’ny politikam-panjakana, tohanan’ireo karazana politika isan-tsehatra ary koa ny famariparitana ara-tetibola ao anatin’ny taona maro, ireo no ahafahana manamafy ny
fanatanterahana ireo tanjona ho amin’ny fampandrosoana.
Araka izany, zava-dehibe tokoa ny tamberin’andraikitra manoloana ireo olom-pirenena mba hanaovana tatitra momba ny nampiasana ny volam-bahoaka rehetra, ary rehefa izay, mba hampiroboroboana ny ftantanam-bola. Mba hanatanterahana izany, ny Foibem-pitondrana ankapobe momba ny Tetibola dia manohy ny ezaka efa nataony mahakasika ny fanamafsana ny fangaraharanan’ny tetibola sy ny fomba fampandraisana anjara eo amin’ny fandrafetana ny Tetibola ny Foibe-pitondrana ankapobe momba
ny Tetibola. Ny Tetibola ho an’ny Daholobe dia fomba tsara indrindra ahafahan’ny vahoaka mandray, mahazo ary mamantatra tsikelikely ny mahakasika ny Tetibola.
Araka izany, ity andiany fahavalo ity dia mandrakitra an-tsoratra amin’ny fomba fohy kokoa ireo hevi-dehiben’ny Lalàna fanitsiana ny Tetibolam-panjakana 2018 amin’ny alàlan’ny fanoritana ireo fanatanterahana sy ireo vinavina
ara-hari-faobe sy ara-tetibola, ireo fanovàna momba ny fepetra mikasika ny hetra, ireo sori-dalana lehiben’ny fandaniam-panjakana, ireo laharam-pahamehan’ny isan-tsehatra momba ny Fandaharanasa Fampiasam-bolam-panjakana (FFBP), sns…
Noraisina tao anatin’ny fandrafetana ity Tetibola ho an’ny Daholobe ity ireo fanamarihana sy fanehoan-kevitra avy amin’ny lafny rehetra mba hampisehoana taratra ireo fangatahana avy amin’ny olom-pirenena momba ny fampahalalana ara-tetibola. Noho izany, sarihana ny tsirairay handray anjara amin’ny ftsinjarana ity boky ity ho amin’ny sehatra malalaka kokoa. Atolotray ihany koa ny fsaorana ho an’ny UNICEF Madagascar noho ireo fanohanana ara-teknika sy ara-bola nanomboka tamin’ny fandrafetana ka hatramin’ny fanapariahana ity boky ity.