Ny Ministeran’ny Vola sy ny Tetibola dia namoaka ny andiany faha-enina amin’ny tetibola ho an’ny Daholobe mba entina hampiarana ireo fenitry ny fangaraharana sy ny tamberin’andraikitra. Mba hitànana ny fahamarinan-toerana ara-toekarena sy ny fifandanjana ankapoben’ny tetibola dia nihevitra ny governemanta fa ilaina ny manitsy ny vatsim-bola ara-tetibola voasoratra tao amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2017 ary koa hisy fanovàna ny sori-dàlan’ny laharam-pahamehana momba ny fandaniana mifanaraka amin’ny faharefoana izay misy.
Ity tetibola ho an’ny Daholobe ity dia natao ho loharanom-baovao mba hanazava amin’ny olom-pirenena ny momba ny fanitsiana ny tetibola ho an’ny taona 2017. Noho izany, mba hahatonga ny olom-pirenena tsirairay avy ho mpiantsehatra ho amin’ny fampandrosoana dia irina ary angatahina indrindra ny fifanampian’ny rehetra amin’ny fanapariahana ity boky ity amin’ny sehatra mivelatra kokoa.