Hampanjakàna ny mangarahara eo amin'ny fitantanam-bolam-panjakana, mba hahatanteraka ny Fanjakana Tsara Tantana, dia navoaka ity Tetibola ho an'ny daholobe edisiona voalohany ity, izay mirakitra amin'ny fomba tsotra sy mora azo ireo hevi-dehibe ao amin'ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana taona 2015 (LFI 2015). Noho izy natao ho an'ny olom-pirenena tsy ankanavaka, dia entanina ianao hitsidika ny rohy amin'ny sary eto ambany, sy hizara izany amin'ny manodidina anao.