Ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola dia nandrafitra ity edisiona vaovaon’ny Tetibola ho an’ny Daholobe ity, izay mandravona izay voalaza ao amin’ny Lalàna Fanitsiana ny Fitantanam-bolam-panjakana 2016. Ankoatr’izay dia mikendry koa ity laharana fahefatra ity ny hitondra valiny mifanaraka amin’ny hetaheta sy tsikera rehetra voaray avy amin’ny mpamaky ireo laharana taloha.
Na izany aza, ity ezaka hitondra fangaraharana sy tamberin’andraikitra amin’ny alalan’ny Tetibola ho an’ny Daholobe ity dia tsy hamokatra tsara araka ny tokony ho izy raha tsy misy fandraisana anjara avy amin’ny tsirairay hampitombo isa ny mpamaky azy. Noho izany, dia entanina isika mba hizara ity rohy ity.