Ny Tetibolam-panjakana dia fitaovam-panatanterahana ny politikan’ny governemanta. Araka izany, maneho ireo valin’ny hetahetan’ny vahoaka ny Tetibola ary ahafahany mahita ny fandikàna an-tarehimarika ny tetibola mahakasika ny tetikadin’ny firenena.
Mba hanamafisana ny fitondrana tsara tantana, ny fanamorana ny fahafantarana momba ny tetibolam-panjakana no ahafahana mampiroborobo ny fangaraharan’ny tetibola sy ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena. Amin’izany tanjona izany, ny Tetibola ho an’ny Daholobe mifanaraka amin’ny Lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny 2018 dia maneho mazava sy manasongadina ireo vaovao ara-tetibola momba ny vinavina ara-toekarena sy ara-tetibola mandritry ny taona maromaro, ireo soridalana lehiben’ny fandaniana ataon’ny fanjakana, ireo laharam-pahamehana isan-tsehatra mahakasika ny fandaharan’asa fampiasam-bolam-panjakana, sns... Marihina ihany koa fa tao anatin’ny fandrafetana ity boky ity dia noraiketina ireo fanamarihana sy soso-kevitra avy amin’ny ankolafy maro.
Isaorana sahady isika olom-pirenena izay handray anjara amin’ny fizarana sy ny fanapariahana ity andiany fahafito amin’ny Tetibola ho an’ny Daholobe ity. Ary angatahina indrindra ny fanehoan-kevintsika mpamaky ho fanatsarana hatrany ny famokarana ny boky ho amin’ny manaraka. Isaorana ihany koa ny UNICEF noho ny fanohanany ara-teknika sy ara-bola ho amin’ny fanatsarana ity boky ity sy ny fanapariahana izany manerana ny nosy.