Ny Ministeran’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola dia manohy ny ezaka ho fanatanterahana ny mangarahara eo amin'ny fitantanam-bolam-panjakana amin'ny alalan'ny famoahana ny Tetibola ho an'ny Daholobe taona 2016. Ity tahirin-kevitra ity dia natao ho an’ny olom-pirenena rehetra, ary manana tanjona telo :
- Mitana hatrany ny maha-fitaovana fampahalalàna ny Tetibola azy izy ;
- Mampiditra miandalana ihany koa ho amin’ny fangaraharàn’ny fahalalàna ara-tetibola sy ny fivoarana ara-toekarena ;
- Ary mazava ho azy fa izany rehetra izany dia tokony hitarika miandalana ny olom-pirenena ho afaka handray anjara amin'ny adihevitra mandritra ny fandrafetana ny tetibola.