Ao anatin’ny fanomanana ny Volavolan-dalàna momba ny Tetibolam-panjakana 2024 dia nisy ny fihaonana izay niarahan’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola tamin’ireo solotenan’ireo mpandraharaha sy ireo Fiarahamonim-pirenena, omaly 7 septambra 2023 tetsy amin’ny efitrano fivoriana tetsy amin’ny Plan Anosy.
Nitarika ny ekipan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny Minisitra Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Tao anatin’ny fandraisam-pitenenana dia nomarihany fa ao anatin’ny fanomanana sy fotoam-pifidianana tanteraka isika eto Madagasikara amin’ity telo volana farany ity, koa mety « hisy foana ny fiovana amin’izay resaka natao androany ».
Nifanome fotoana ny 21 septambra 2023 ho avy izao indray ny telo tonta mba andefasan’ny Sehatra tsy Miankina ary ny Fiarahamonim-pirenena ny fangatahany eny amin’ny Minisitera, mialohan’ny handrafetana farany ny Volavolan-dalàna momba ny Tetibolam-panjakana 2024. Tsara ho marihana fa dingana manaraka ny « Conférences Budgétaires » notontosaina tany amin’ireo Faritra 23 izao fihaonana izao.
Loharanom-baovao : Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola
Leave A Comment