Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fambolenkazo 2020
Nanao rodobe niaraka tamin’ny Filoham-pirenena, Andry rajoelina sy ny Governemanta ny Fianakaviamben’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola tamin’ny fambolenkazo natao tany Ankazobe ny Alahady 19 Janoary 2020 lasa teo. Tao anatin’izany isika teto anivon’ny Foibem-pitondrana ankapobe misahana ny fitantanana ny raharaha ankapobeny na DGFAG. Efa tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny handrakotra ala an’i Madagasikara indray mba ho lovan’ny taranaka faramandimby. Tany amin’ny Fokontany Firarazana distrikan’ Ankazobe no nanaovana ny fanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy ho an’ity taona 2020 ity. Manodidina ny 12 000 ireo nandray anjara tamin’ny fambolena ny zanakazo 1 200 000 fototra. Velaran-tany 500 ha no nambolena tamin’izany. Ny tanjona dia ny hambolena zanakazo 60 tapitrisa amin’ity taona ity araka ny veliranon’ny Filoham-pirenena. Tsara ny manamarika fa saika nanao hetsika tahaka izao avokoa ny faritra rehetra manerana ny nosy.