Fampidirana ny mpiasam-panjakana amin’ny AUGURE
Raha ny 30 Aogositra 2019 no fe-potoana farany nomen’ny Governemanta hampidirana ny mpiasam-panjakana ao anatin’ny Logiciel Augure, dia tratra ny tanjona araka ny nambaran’ireo Tomponandraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna Sosialy sy ny Foibem-pitondrana ankapobe misahana ny fitantanana ankapobeny ny mpiasam-panjakana eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ny Tale Jeneralin’ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna Sosialy, Mahadiny Girard Bernardin sy ny Tale Jeneralin’ny Foibem-pitondrana ankapobe misahana ny Fitantanana ankapobeny ny mpiasam-panjakana, Randimbiarisoa Oliva, teny amin’ny tranoben’ny Ministeran’ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna Sosialy teny amin’ny 67 ha androany atoandro. Manodidina ny 86% ka hatramin’ny 100% ny fahavitan’ izany ho an’ireo minisitera rehetra. Mbola ireo mpiasa rehetra am-perinasa ety anivon’ny minisitera foibe avokoa ireo fa ny any amin’ny faritra dia hanomboka ny 2 Septambra 2019 izao. Ny antony dia satria mbola vao avy nomena fiofanana tamin’ny faha 26 sy 27 Aogositra lasa teo, ireo tomponandraikitra misahana ny fikarakarana ny karama sy ny fisotroan-dronono isam-paritra hanao ny asa.
Na izany aza anefa dia efa misy ny Ministera lasa aloha. “Tahaka ny an’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampiarana ara-teknika sy arakasa ohatra, izay misy ny roa ampahatelon’ny mpiasam-panjakana dia 3% eo ho eo sisa no ilàna fanamarinana akaiky satria tsy azo atao avy hatrany izy ireo hoe mpiasa matoatoa”, araka ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Foibem-pitondrana ankapobe misahana ny fitantanana ankapobeny ny mpiasam-panjakana, Randimbiarisoa Oliva. Ny an’ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asa Tanana dia efa tafiditra ao anaty Augure ny 86% ny mpiasa eo anivon’ny foibe. Ny an’ny Fiadidian’ny Repoblika dia 95% no efa tafiditra. Santionany ihany ireo voalaza ireo fa efa samy nanao ny azy avokoa ny Ministera rehetra, araka ny baiko nomen’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta. Vita izany iny ny dingana voalohany fa ny dingana manaraka kosa, araka ny fanazavana azo ihany dia ny fijerena hoe iza daholo izany no mpiasam-panjakana mandray karama, iza no efa misotro ronono, izany hoe ny fahavitan’io fampidirana mpiasa amin’ny Augure io dia hahafahan’ny fanjakana mandray fanapahan-kevitra amin’ny politika ankapobeny fitantanana ny mpiasam-panjakana.