Coronavirus: Aleo misoroka, toy izay mitsabo
Tsy mbola tonga eto Madagasikara ny Coronavirus kanefa dia mbola mitombina tsara io ohabolana io manoloana ny fisian’ny Coronavirus izay mbola tsy ahitam-panafana hatramin’izao kanefa efa manenika firenena 19 manerana izao tontolo izao. Mbola tsy misy fanafany ity virus ity ary mbola tsy nahiatana vakisiny koa na dia efa manao izay ho hafany aza ny manam-pahaizana mikaroka izany. Mahatratra 132 ireo efa maty ary maherin’ny 4200 ny voany amin’izao fotoana izao. Efa tratra i Etats-Unis, Eropa, Australie. Mitombo sy miparitaka haingana izay tsy izy ny virus ka izay no ilana fitandremana.
Ho fisorohana ny fihanaky ny aretina dia ireto no tsara ho fantatra: “tsy tokony atao ny mifandray tanana, mifanoroka, mikohoka na mihevona tsy manampi-bava amin’ny kiho eny imasom-bahoaka, mila manasa tanana matetika (atao ao anatin’ny 20 segondra), mila misotro rano matimaty matetika, hajaina ny elanelana 1 m ho an’ireo mandray olona eny amin’ny toeram-piasana satria amin’ny alalan’ny piti-drora no ifindrany ary tsy laitrana “antibiothique” izy. 2 andro ka hatramin’ny 12 andro no faharetan’ny fahaveloman’ity virus ity rehefa tafiditra ao anatin’ny vatan’olombelona.
Inona avy no tranga mety iseho: miakatra ny fahanana, marary an-doha, marary ny vanin-taolana, maimaina foana ny tenda, mikohoka, sempotra tsy avy miaina, tsy mahazo aina mihitsy ny tena, mahatsiaro reradreraka foana, mandoa sy mivalana ihany koa. Rehefa izany, raha vao mahatsiaro tsy metimety ny vatanao, dia manantona toeram-pitaboana haingana.
Ho an’ny Minisetran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia nisy ny famelabelarana sy ny fisorohana nataon’ny sampan-draharahan’ny Fahasalamana teo anivon’ny Minisitera, teo anoloan’ny Minisitra sy ny Sekretera jeneraly. Teny amin’ny tranoben’ny teti-pivoarana Anosy no nanaovana izany io maraina io.
Tsy tokony hikorontana ny sain’ny vahoaka satria efa misy ny fepetra raisin’ny fitondrana tsy hidiran’izany eto Madagasikara. Ny fiarovana sy ny fisorohana kosa anefa tsy maintsy atao.